Tsy azo hanorenana trano intsony manomboka izao manerana ireo faritra avo eto an-drenivohitra, raha araka ny fanapahan-kevitra noraisin’ny minisiteran’ny fanajariana ny tany, ny birao nasionaly misahana ny loza voajanahary ary ny kaominina Antananarivo Renivohitra.
Voakasik’izany ny eny Faravohitra, Andohalo, Manjakamiadana, Avaradrova; Andohamandry, Tsarafaritra Tsimbazaza ary Ambatonakanga. Ny antony dia noho ny fahitan’ireo sampandraharaha isan-tsokajiny ireo ny loza nateraky ny fananganana fotodrafitrasa tsy ara-dalàna sy ara-dalàna teny ambony teny sahady ka niteraka ranobe nitsika tamin’ny faritra ambany izay nahafaty olona tetsy Manakambahiny, ny herinandro teo. Mandrapivoahan’ilay drafitra fototra amin’ny fanarian-drano karakarain’ny kaominina no hisian’io fepetra io izay hiafara amin’ny fandinihina manokana momba ny tany hanorenana ny trano hiarahana amin’ny laboratoire national des travaux publics izay vao azo hanorenana raha ekena raha araka ny fanazavana azo omaly hatrany. Ankoatra izay dia tsy azon’ireo fiara vaventy hivezivezena intsony ihany koa eny amin’ireo faritra ambony voalaza ireo hisorohana ny mety ho fihotsahan’ny tany. Hisy mihitsy moa ireo tompon’andraikitra hanara-maso izany raha araka ny fantatra hatrany.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.