Actualités

Faritra Atsinanana Hanondrana sakay 30 taonina isan-taona atsy Maorisy


  • Alatsinainy 12 Oktobra 2015

Mahaliana ny Maorisianina ny sakay misy eo anivon’ny faritra Atsinanana, indrindra fa ireo sakay “pili-pili” sy “bec d’oiseau” ary ireo sakay “batard” misy ao Toamasina II, ao anatin’ny kaominina 3, dia ny kaominin’i Fanandrana sy Andobabe ary Ambodilazana.

 

Taorian’ny fifampidinihana sy fifampiresahana ary fidinana ifotony nataon’ireo mpandraharaha ara-tsakay maorisianina, dia nisy ny fandrafetana ny fiaraha-miasa amin’ny faritra Atsinanana sy ireto mpandraharaha ireto, amin’ny fividianana ny sakay sy fanampiana ireo tantsaha mpamokatra ary ny fanokafan-dalana amin’ireo kaominina saro-dalana hakana ny vokatra. Ny talem-paritry ny varotra Atsinanana sy ny fandaharan’asa PROSPERER, no nanampy betsaka ny faritra sy ireo mpandraharaha maorisianina ireto. Mandritra ny roa taona azo havaozina hatrany ny fifanarahana amin’ny fividianana sy fanampiana ny tantsaha mpamokatra nosoniavina teo anivon’ny biraon’ny faritra izao, teo amin’i Talata Michel lehiben’ny faritra sy Yogendrasing Sreepaul solontenan’ireo mpandraharaha ary Randriamampianona William avy amin’ny Prosperer misahana ny faritra Atsinanana sy Analanjirofo. 30 taonina isan-taona no hovidian’ireto maorisianina ireto ao anatin’ny roa taona voalohany miatomboka ny taona 2016. Aorian’ny fanampiana ireo tantsaha amin’ny famokarana ny sakay dia hiakatra arakaraka ny vokatra misy izany. Tanjon’ny fifanarahana moa ny samy hahazoan’ny roa tonta tombony.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

  • Afera boeing
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

mety hafindra ady heloka bevava

  • Afera sy halatra tany,
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

fanararaotam-pahefana,…

  • COMESA Media Award
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

Lasan’ny mpanao gazety

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT