Actualités

Faritra atsimon’ny nosy Nahazo lakandrano mirefy 25 km


  • Alakamisy 15 Desambra 2016

Notokanan’ny filoha Rajaonarimampianina omaly tany Bezaha ny lakandrano mirefy 25 km ahafahana mamatsy rano ireo tanimbary any amin’iny faritra atsimon’ny nosy iny.

 Maherin’ny 2500 ha ny velaran-tanimbary hisitraka izay vatsin-drano avy amin’ity lakandrano ity izay ary olona 20 000 mahery no hahazo tombontsoa mivantana avy aminy. Ny banky afrikanina misahana ny fampandrosoana no namatsy ny fanatanterahana ny tetikassa ary tafiditra indrindra ao anatin’ilay tetikasa famerenana amin’ny laoniny ireo fotodrafitrasa any amin’ny faritra Atsimo atsinanana izy io dia ny tetikasa PRIRSO izay hanontonana vola be hatrany amin’ny 21 miliara ariary. Tanjona ny fanomezana aina vao indray ny asa famokarana amin'ny tapany atsinanan'ny faritra Atsimo andrefana izay nosokajiana ho sompitra ara-bary.

Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT