Malagasy 900.000 eo no mila vonjy ara-tsakafo maika
Miharatsy ny toe-draharaha any amin’ny faritra atsimo.
Olona eo amin’ny 900.000 eo no mila vonjy ara-tsakafo maika, ary maro no efa mila hamoy fo mitady fomba ivelomana. Nambaran’ny Ambasadaoro amerikanina Robert Yamate omaly fa hanome fanampiana vonjy aina mitentina 5 tapitrisa dolara ho an’ny faritra atsimon’i Madagasikara ny fanjakana amerikanina, amin’ny alalan’ny Sampandraharaha Amerikanina Misahana ny Fampandrosoana (USAID). “Vonona izahay hanampy hatrany ny mponina ianjadian’ny hain-tany sy tena tra-pahasahiranana,” hoy ny Ambasadaoro. Izany no antony hanamafisan’ny fanjakana amerikanina ny fanampiany sy handrindrany ny asa fanaovana vonjy aina miaraka amin’ireo mpisehatra maro samy hafa mba hahazoan’my mponina ny fanampiana tena ilainy.” “Efa taona maro no anampian’ny USAID ny faritra atsimon’i Madagasikara,” hoy ny Tale Jeneralin’ny USAID Michelle Godette. “Mihamafy ny hain-tany, ary hitanay maso ny fiharatsian’ny toe-javatra. Maka rano maloto miandrona eny an-dalambe ny ankizy hosotroina, mandeha any an’ala ny olona maka ravina mba hohanina. Tsy mitandro hasasarana izahay mandrindra ny fanampiana ataonay eo amin’ny sehatry ny fampanjariana ara-tsakafo sy ny fampandrosoana mba hahazoana vokatra mahomby sy azo tsapain-tanana”, hoy izy.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.