Actualités

Faritra Androy Mijaly rano ny mponina


  • Alatsinainy 02 Febroary 2015

200 ka hatramin’ny 250Ar ny vidin'ny rano iray daba amin'ny 20 litatra ao Ambovombe Androy. Mbola mihoatra lavitra noho io aza any amin'ireo toerana tsy ahitana lava-drano. Ao anatin'ny fahasahiranana tanteraka ny mponina, indrindra ireo andriambavilanitra mpikarakara tokantrano.

 

Mampivarahontsana fa rano mihandrona eny amin'ny arabe no alaina ampiasaina. Voaporofo fa tsy mbola voavaha ny olan’ny tsy fisian-drano fidiovana sy fanadiovana. Amin'ny ankapobeny mbola olana goavana ao Androy ny tsy fisian-drano. Na ny A.E.S natao hamaha ny olana aza mahakely finoana ny mponina. Ny tsy fisian-drano zary kobay arangarangan'ireo mpitondra nifandimby. Zary fitaovana politika any an-toerana ny olana rano. Mampametra-panontaniana ny filazan'ireo minisitry rano nifandimby hatramin'izay (tetezamita-fitondrana ankehitriny). Ny asan'ny Paear sy ny Diorano Wash manjavona. Manao antso amin'ireo olom-boafidy any an-toerana ny mponina mba hijery sy hitady vahaolana. Amin-dry zareo, famahanan-dalitra ny fitondrana ny filazana fa voavaha ny olana amin'ny tsy fisian-drano ao Androy ao.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

  • Nanao ampamoaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

sy nampiaka-peo PRRM

  • Voahoso-potaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

i Tahina Razafinjoelina

  • Randriantsoa Jimmy
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Lasa tsy anatin’ny soa

  • VOVONANA TANTANA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Tokony hijery tsara ireo

  • Fetison
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Rakoto Andrianirina

Hijery ny tohiny
FTT