Naharitra tokoa saingy madinika ny rotsak’orana teto Antananarivo nanomboka ny alin’ny 31 desambra ka hatramin’ny halina.Somary natevina kosa ny tany amin’ny faritra hafa.
Ny anton’izany araka ny fanazavana voaray avy any amin’ny sampan-draharaha mpamantatra ny toetry ny andro dia noho ny fisian'ny andian-drahona mivangongo ao amin'ny faritra avaratry ny lakandranon'i Mozambika ka nahazo vahana ny rotsakorana betsaka amin'ny faritra avaratra andrefan'i Madagasikara.Mety hiteraka tondra-drano sy fiakaran’ny renirano mihitsy ny fitohizan’ny rotsakorana amina faritra maro, araka ny fanazavana ihany. Entanina araka izany ny mponina amin'ireto toerana manaraka ireto mba ho mailo sy hitandrina fa tafiditra amin'ny faritra mahazo ny fampitandremana miloko mena ny amin'ny fahabetsahan'ny rotsakorana izy ireo dia : Boeny, Betsiboka, Besalampy, Maintirano, Ambatomainty, Morafenobe, Andilamena, Amparafaravola ary Ambatondrazaka.Zava-dehibe ihany koa ny fanarahana tsy tapaka amin’ny onjam-peo ny fivoaran’ny toetry ny andro sy ny toromarika.Efa samy tokony hiomana ny rehetra fa tsy mianddry rano efa mandifotr’’olona vao miala fa vantany vao tsy tahaka ny mahazatra ny haavon’ny rano dia tsara kokoa ny mamonjy toeran-kafa; efa mahafantatra ny tokony atao amin’izany moa ireo tompon’andraikitra eny amin’ny fokontany sy ny kaominina ary ny distrika izay miara-miasa akaiky amin’ny BNGRC.Tsy mbola misy resaka rivodoza mananontanona aloha hatreto fa ny rotsak’orana ahiana hitarika tondra-drano no mila hitandremana, hoy hatrany ny fanazavana voaray.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.