Actualités

Faritra andrefan’ny Boriborintany faha-2 Nahazo tolotra avy amin’ny Depiote Rastany


  • Alatsinainy 22 Desambra 2014

Mitohy ny fijerena ny maha olona ho an’ny solombavambahoakan’i Madagasikara voafidy teny amin’ny Boriborintany faha-2 eto an-drenivohitra, ny depiote Rastany na

Randrianarisoa Stanislas. Rehefa nanaovany fotodrafitrasa maromaro, kianja filalaovana, tatatra … ny teny Atsimo atsinanana toa an’Ambohipo, nahavitany toeram-panasan-damba sy fantsakana ary fanavotana lalana notapahin’olona ny tao afovoany manodidina an’Ambatoroka dia nitodika nijery ny teny andrefan’ity Boriborintany ity izy ka tonga tao Ambohitsoa ny sabotsy teo nitondra fanomezana maromaro ho an’ny sokajin’olona isan-karazany avy ao amin’ity fokontany ity mandalo an’i Mahazoarivo ka hatrany Mandroseza … nizara votomamy sy kilalao isan-karazany ho an’ireo zaza madinika an-jatony maro, solombodiakoho noho ny fetin’ny Krismasy ho an’ireo zokiolona teny an-toerana, “Jeux de maillot” na akanjo filalaovana ho an’ny klioba mpanao rugby COA Ambanidia ary “raglant” na akanjo tsy lena aro orana ho an’ireo polisy 44 miasa ao amin’ity Boriborintany faharoa ity. Santatra ambavarano ho an’ity faritra ity izao atao izao, hoy izy, fa mbola ho avy izahay mivady hiverina aty indray amin’ny andron’ny Asaramanitra sy mandritra ny fotoam-piasanay ao amin’ny Antenimieram-pirenena manontolo satria efa lokaloka natao tany amin’ny androm-pampielezan-kevitra ny hitsinjo ny vahoaka araka izay azo atao fa tsy natao ho toeram-pireharehana ny maha depiote fa natao hanasoavana ny vahoaka mpifidy.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • ActualitĂ©s
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT