Vita ny zoma teo ny famindram-pitantanana teo amin’ny lehiben’ny faritra vaovao Ramaroson Jacques sy ny teo aloha Malo Benoit izay lasa loha-lisitry ny antoko Hvm amin’ny fifidianana senatera eo anivon’ny faritanin’i Toamasina.
Famindram-pitantanana izay natrehan’ny prefen’i Fenoarivo Atsinanana Belahy Theophile. Efa nihazona ny talen’ny fampiroboroboana ny tontolo ambanivohitry ny faritra Analanjirofo ity vaovao, talohan’ny fanendrena azy izao. Ho azy dia ny fanohizana ny tsara efa vita sy fangatahana fiaraha-miasa amin’ny rehetra no laharam-pahamehana. Nandritra ny lanonana natao mikasika ity famindram-pitantanana ity kosa anefa no nanaovan’ny talen’ny lafintanin’ny faritra Analanjirofo tsindry paingotra tamin’ny lehiben’ny faritra teo aloha Malo Benoit, mikasika ny tetibolan’ny kaominina. Raha vola 500 tapitrisa ariary no navelan’ny lehiben’ny faritra tany aloha Saina Michel ho an’ity lehiben’ny faritra lohalisitry ny Hvm amin’ny senatorialy ity, dia tsy namela afa-tsy 8 tapitrisa ariary ho an’ny nodimbiasany izy. Vola be anefa no niditra tamin’ny faritra nandritra ny taom-piotazana lodsia farany teo. Efa mandray ny asany moa ny lehiben’ny faritra vaovao, ka ny karama tara roa volan’ny mpiasa no homeny avy hatrany, ny fety rahateo hifanesy tsy ho ela.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.