Actualités

Faritra Analamanga Mananontanona ny pesta


  • Alakamisy 01 Desambra 2016

Atahorana sahady ny aretina pesta eto amin’ny Faritra Analamanga, amin’izao fiandohan’ny fotoam-pahavaratra izao.

 Diso betsaka loatra mantsy ny loto miparitaka etsy sy eroa, indrindra ny fanaparitahana potin-kanina ataon’ny mpiara-monina, antony mampivoaka ireo voavalo mpitahiry aretina hiriaria eny anivon’ny fiarahamonina.  Manampy trotraka  koa ny doro tanety izay mampitsoaka ny voalavo hamonjy ny fonenan’ny olombelona. Raha ny fanazavan’ny dokotera Rajonhons Désiré, tompon’andraikitra avy eo anivon’ny talem-paritry ny fahasalamana eto amin’ny Faritra Analamanga anefa dia nahatratra hatrany amin’ny 50 ny tranga niseho nampanahy tamin’ny taon-dasa ka mila mailo ny rehetra. Ankoatra izay, nosinganiny manokana ny aretin-kibo. Nambarany fa efa volana maro lasa izay no nanao fanentanana izy ireo  niampy ny fanaparitahana ny fanafody teny anivon’ireo lehiben’ny fari-piadidiam-pahasalamana miisa valo eto an-drenivohitra. Nomarihiny manokana fa aretina tsy ampoizina ny pesta nefa mamono mahafaty. Tsy mbola nahitana trangana pesta hatreto teto an-drenivohitra tamin'ity taona ity.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT