Actualités

FARITRA ANALAMANGA Manampy amin’ny fitandroana ny fandriampahalemana eto an-drenivohitra


  • Alarobia 23 Novambra 2016

Mifanome tanana hitandroana ny fandriampahalemana eto an-drenivohitra sy ny manodidina ny Faritra Analamanga sy ny prefektiora ary ny polisim-pirenena.

Nozaraina  tamim-pomba ofisialy  ny faran’ny herinandro teo  ny fanamiana mitovy hanaovan’ireo voamieran’ny fandriampahalemana hiasa eo anivon’ny boriborintany efatra  eto an-drenivohitra dia ny Voalohany, Fahefatra,  Fahadimy  ary Fahenina.  Fokontany  miisa 134 no voakasika izay marihina fa hiasa hitandro ny filaminana eny amin’ny faritra misy azy avy. Araka ny fantatra dia  mpilatsaka an-tsitrapo avokoa ireo vaomiera ireo  ary hizarazara hitety fokontany andro aman’alina, hanara-maso ny filaminana. Hiara-kiasa amin’ny mpitandro ny filaminana izy ireo amin’izany hampita ny zava-misy eny ifotony. Marihina moa fa  natomboka amin’izao fandraisana ny fihaonana an-tampon’ny firenena miteny frantsay izao ity ezaka ity izay hotohizana hatrany araka ny nambaran-dRakotonanahary Ndranto,  Lehiben’ny Faritra Analamanga.

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT