Actualités

FARITRA AMORON’I MANIA Manjaka ny asan-dahalo


  • Zoma 21 Novambra 2014

Malaza ho misy dahalo niova fo any amin’ny faritra atsimo any, tsy mbola nisy dahalo nilavo lefona mihitsy ao amin’ny faritra Amoron’i Mania. Manomboka miha masiaka aza izy ireo satria tsy vitan’ny mangalatra omby fotsiny na mamaky trano sy mandroba fa mamono olona mihitsy

Tamin’ity volana novambra ity fotsiny dia olona 2 no maty tany Kelilalina-Manamy sy Ialamarina, kaominina Mandrosonoro, distrikan’Ambatofinandrahana nandritra ny asan-dahalo niseho tany an-toerana. Dahalo 5 no matin’ny fokonolona tamin’io fotoana io, mbola misy fokonolona 3 maratra mitsabo tena ao Ambositra amin’izao fotoana izao. Tao amin’ny fokontany Ambohimiadana Ambositra ihany koa dia vao nisehoana halatra omby ny alin’nytalata 18 novambra teo, omby iray no very tamin’io fotoana io. Nisehoana asan-dahalo koa tany amin’ny distrika Manandriana iny, omby am-polony no lasan’ireo dahalo, tsy ampy fitaovana ny fokonolona, tsy ampy ny mpitandro ny filamanana ka manjaka ny asan-dahalo. Tato anatin’ny roa volana izao no efa nisehoana asan-dahalo sy fandrobana koa tao amin’ny kaominina Tsarazaza sy Sandrandahy ao amin’ny distrika Fandriana. Mandainga izay milaza fa misy filaminana ao amin’ny faritra Amoron’i Mania nefa mandry an-driranantsy ny vahoaka, indrindra ny any ambanivohitra.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • ActualitĂ©s
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT