Aleo tara toy izay tsy misy ! Io no azo ilazana ny hetsika nataon’ny faritra Alaotra Mangoro manoloana ny ady atao amin’ny fihanaky ny aretina pesta any amin’iny distrikan’Amparafaravola iny
Nisy ny fanolorana fitaovana toy ny borety sy vovom-boalavo ary angady ny faran’ny herinandro teo, entina manamafy ny ezaka rehetra efa natao hiadiana amin’ny aretina pesta. Nandray izany tany an-toerana ny komity miady amin’ny pesta izay tarihan’ny lehiben’ny distrikan’Amparafaravola. Tanjona ny hametrahana tanàna madio ny renivohitry ny distrikan’Amparafaravola sy mba ho lavitry ny aretina. Nambaran’ny sekretera jeneralin’ny faritra Alaotra Mangoro Randrianatoandro Stanislas fa mandray ny andraikiny tanteraka ny fiadidiana ny faritra eo amin’ny ady atao amin’ny fihanaky ny aretina pesta. Antenaina fa voafehy tsy ho ela ity aretin-dratsy any an-toerana ity.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.