Actualités

Faritra Alaotra Mangoro Hifampiarahaba nahatratra ny taona anio


  • Zoma 22 Janoary 2016

Mety nahazo fanakianana tokoa izahay solombavambahoaka tety Tsimbazaza tamin’iny taon-dasa 2015 iny, hoy ny depiote Randriamahefa Charles

, raha tafaresaka tamin’ny mpanao gazety teny an-toerana omaly. Tsy mahagaga izany, hoy izy,  fa ety  no lapan’ny demokrasia sy fanehoan-kevitra. Nisy rahateo ny savorovoro niseho teo amin’ny fiainam-pirenena araka ny efa nanambaran’ny Filoham-pirenena azy teny Iavoloha tamin’ny voalohan’ity taona ity. Izahay solombavambahoaka ihany koa dia samy manana ny firehany ara-politika ka samy manana ny heviny avy. Nisy tety aminay koa ny fisian’ireo kiana isan-tsokajiny izay nampisavorovoro ny rehetra na dia tsy nisy nahomby aza. Lapan’ny demokrasia ety ka afaka miteny ny tsy mety ataon’ny mpanatanteraka izahay ary asanay koa ny manara-maso azy ireo. Na izany aza dia ambarako etoana fa betsaka ny zava-bita tato tamin’ny asa fandanian-dalàna maro hoentina mandrindra ny fampandrosoana ny firenena. Inoana fa ho taonan’ny filaminana sy fitoniana ary fampandrosoana ity taona 2016 ho an’ny ety amin’ny Antenimiera satria izahay solombavambahoaka no handrindra ny CLD amin’ny  fanatanterahana ny tetikasa hatao avy amin’ilay vola nomen’ny fitondram-panjakana fanampiana homena ny distrika isanisany. Ny lehiben’ny Faritra na Lehiben’ny distrika moa no hamoaka ny vola amin’izany satria tsy mahazo mitantam-bola izahay solombavambahoaka. Nambarany fa hifampiarahaba nahatratra ny taona ry zareo any Alaotra Mangoro anio zoma 22 janoary izao any Ambatondrazaka. Ny Lehiben’ny Faritra Alaotra Mangoro sy ny solontenam-panjakana, ny Prefet de Région moa no hifampiarahaba amin’ireo  olom-boafidy rehetra sy ireo rantsa-mangaika avy any amin’iny Faritra iny amin’izany.

Ntsoavina Evariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT