Actualités

Faritr’i Boeny 10 %-n’ny velaran-tany sisa no misy ala


  • Zoma 06 Febroary 2015

Nambaran’ny talem-paritry ny tontolo iainana, ny ekôlôjia, ny ranomasina sy ala any Boeny tany Mahajanga araka ny fanadihadiana nataon-dry zareo fa ny 10%-n’ny velaran-tany manerana an’i Boeny sisa no misy ala ankehitriny.

  Mandany hazo 1m3 isan-taona ny Malagasy iray. Mahatratra 600 000 m3 eo ho eo, noho izany, ny hazo ripaky ny mponina  600 000 ao amin’ny Faritr’i Boeny isan-taona, hoy izy, kanefa ny solony tsy misy firy. Nandritra ny fanokafana ny taom-pambolen-kazo tany an-toerana notarihan’ny ny lehiben’ny faritra, Saïd Ahamad Jaffar, no nilazany izany. Vahaolana ho an’ny ity Faritra ity, hoy ny teknisianina ao amin’ity sampandraharaha ity, ny fambolen-kazo amin’ny velaran-tany midadasika tokony hataon’ireo sehatra tsy miankina sy ny fametrahana velaran-tany voatokana hambolen-kazo ao anatin’ny Drafitra fanajariana ny kaominina na ny “Schéma d’Aménagement Communal”. Sady nitarika ny fambolen-kazo ny Lehiben’ny Faritra no nitondra fanentanana ho an’ny rehetra tamin’ny filazana fa : “zava-dehibe ny fambolen-kazo satria ny hazo no miantoka ny fahatsaran’ny tontolo iainana izay misy antsika. Isika ihany anefa, araka ny fanambarany, no manimba ny ala amin’ny fikapana tsy ara-drariny ny hazo ka tokony hisy ny ezaka hamerenana izany amin’ny laoniny”. Marihina fa 10 tapitrisa ariary no lany tamin’ny fikarakarana ity fanokafana ny taom-pambolen-kazo tany Boeny ity ka velaran-tany 10 ha amin’ny 25 ha kendren’ny Faritra horakofana hazo amin’ity taona ity no efa voavoly sahady zana-kazo kininina sy “acacia” niisa 17 000.

 

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

  • Nanao ampamoaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

sy nampiaka-peo PRRM

  • Voahoso-potaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

i Tahina Razafinjoelina

  • Randriantsoa Jimmy
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Lasa tsy anatin’ny soa

  • VOVONANA TANTANA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Tokony hijery tsara ireo

  • Fetison
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Rakoto Andrianirina

Hijery ny tohiny
FTT