Actualités

Farihin’Andraikiba Nahafaty olona ny fanaovana “Selfie”


  • Talata 25 Septambra 2018

Namono olona indray ny farihin’Andraikiba. Tovolahy roalahy antsoina hoe Ranja sy Nanja indray no niara-maty an-drano tao Andraikiba omaly alatsinainy 24 septambra 2018 tokony ho tamin’ny 11 ora antoandro.

 

 

Antoko mpihira avy amin’ny STK Ifarihy Tanjombato Antananarivo  no niarahan’izy ireo tany Antsirabe ary niara-nitsangantsangana no nataon’izy ireo tany Andraikiba. Raha ny fanazavana azo tany an-toerana dia voalaza fa nakanaka sary na nanao “selfie” ny tovolahy iray, ka nibolisatra,ary lasa tany anaty rano.  Taitra ilay iray ka namonjy azy, saingy lasan’ny rano ihany koa ary nifamonjen’ny rehetra indray izy roalahy. Ilay latsaka faharoa moa no voavonjin’ny olona teo vetivety ihany saingy na natao aza ny fameloman’aina dia tsy tana ny ainy. Ora vitsy taty aoriana kosa vao hita ny fatin’ilay iray voalohany, izay efa tsy nisy azo natao taminy intsony. Rava avy hatrany moa ny fitsangantsanganana nataon’ireto fikambanana antoko mpihira ireto. Nialoha ny nitondrana ny razana ho any Antananarivo dia nentina natao veloma farany tao amin’ny FJKM Antsirabe Fitiavana ny razana. Marihina fa tsy mpirahalahy akory ireto tovolahy ireto, izay manodidina ny 18 taona eo ho ny taonany.

Caius R/ Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

  • Nanao ampamoaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

sy nampiaka-peo PRRM

  • Voahoso-potaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

i Tahina Razafinjoelina

  • Randriantsoa Jimmy
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Lasa tsy anatin’ny soa

  • VOVONANA TANTANA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Tokony hijery tsara ireo

  • Fetison
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Rakoto Andrianirina

Hijery ny tohiny
FTT