Actualités

Farihin’Andranotapahana RN4 Lasan’ny Sinoa indray


  • Alakamisy 08 Desambra 2016

Mpanjono miisa 75 mivondrona ao amin’ny fikambanana “Fanilon’i Marovatana”,

izay mamelona fianakaviana 470 no very asa amin’ny fisian’ny orinasa Tana Fish Sarl mitrandraka ny farihy Andranotapahana lalovan’ny lalam-pirenena faha-4, hanaovana fiompiana trondro sy toeram-pisakafoanana, araka ny fanomezan-dalana nomen’ny kaominina ambonivohitra Ambohidratrimo io orinasa sinoa io tamin’ny 4 mey 2015. Maharitra valo taona azo havaozina ny fifanarahana, ary 112.500 Ar isam-bolana no hofany. Gaga amin’io fisian’io fanomezan-dalana nomen’ny kaominina Ambohidratrimo ilay orinasa sinoa io ireo mpitantana ao amin’ny kaominina Talatamaty satria raha ny fizaram-paritra namaritana ireo kaominina roa mifanolobodirindrina ireo hatramin’izay dia ao anatin’ny zaratanin’i Talatamaty ny farihy trandrahan’io orinasa Tana Fish Sarl io. “Mitaky ny hamerenana ny farihy aminy ny kaominina Talatamaty”, hoy ny Ben’ny tanàna Dr Razafindratsimba Rado, notronin’ireo mpanolotsain’ny tanàna sy ny mpiara-miasa akaiky aminy ary ireo mpikambana ao amin’ny Fanilon’i Marovatana. Ny kaominina Talatamaty samirery rahateo, hoy izy no manakarama mpiandry io farihy io hatramin’izay, mpandrotsaka zana-trondro ao isan-taona, mpanao fanamarinana eny an-toerana tamin’ireo lozam-pifamoivoizana na loza an-drano namoizana ain’olona tamin’io farihy io. Nandefa taratasy isan’ambaratonga, minisitera voakasika ka hatrany amin’ny Fiadidiana ny Repoblika ny kaominina Talatamaty mitsipaka ny fampiharana ny fanomezan-dalana nomen’ny kaominina Ambohidratrimo ny orinasa Tana Fish Sarl hitrandraka io farihin’Andranotapahana io. Toy izany koa ny fikambanan’ny mpanjono “Fanilon’i Marovatana” izay nijoro tamin’ny 1994 ary nahazo alalana tamin’ny minisiteran’ny jono sy ny harena an-dranomasina hitrandraka io farihin’Andranotapahana io.

Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT