Actualités

Farihin’Ambinanibe Lehilahy mpanjono matin’ny haratony


  • Alarobia 23 Septambra 2015

Ny lakana sy fitaovana enti-manjono nitsikafona teny anaty rano, sy nofo mangatsiakan'ilay rangahy niantsampy teny amin'ny hazo

 

. Io no tranga nampalahelo hitan'ny fokonolona raha sendra nitady ity raim-pianakaviana lasa nanjono. Ny alatsinainy teo no nisehoan'izany. Ndeha hanarato toy ny fanaony andavan'andro ilay rangahy no tsy tafody niverina nony hariva.Taitra ny fianakaviana nahita ny nanjo azy fa vata-mangatsiaka no novantanin'ny fianakaviana nitady.Tsy fantatra izay tena antony nahafaty azy  Voalaza fa nofatopatoran'ilay haroto nampiasainy teny anaty rano-parihy ilay rangahy. Tombanana fa vokatry ny tsioka tampoka teny anaty rano no nahatonga ny loza. Tsy tany an-dranomasina no nisehoan'izany fa tamin'ny rano mamy farihy fanjonoana ao Ambinanibe. Notanterahina avy hatrany ny fandevenana.Tsy vao izao no niseho ny loza araka ny fanazavan'ny mponina fa efa matetika.

Oth

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

  • Afera boeing
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

mety hafindra ady heloka bevava

  • Afera sy halatra tany,
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

fanararaotam-pahefana,…

  • COMESA Media Award
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

Lasan’ny mpanao gazety

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT