Actualités

Farihin’Alaotra Ahiana tsy hisy trondro intsony atsy ho atsy !


  • Alarobia 19 Novambra 2014

Mila mametraka paik’ady vaovao ny sampandraharahan’ny jono any Alaotra raha tiana ny mamerina ny habetsahan’ireo hazan-drano nampalaza iny faritra iny. Niha nitontongana hatrany ny vokatra hazan-drano tamin’iny faritra iny nanomboka ny taona 2008. Raha 1 000 Taonina ny vokatra niakatra tamin’io taona io

ankehitriny tsy misy afa tsy 600 taonina sisa. Raha mitohy ny tsy fanajana ny vanim-potoana fikatonan’ny jono dia ahiana ny hahafoana ny trondro ao Alaotra. Nanao antso ho an’ny rehetra omaly ny talem-paritry ny jono Andrianantenaina Herilalaina mba hifanome tanana eo amin’ny famerenana amin’ny laoniny ny tontolo ny fiompiana trondro any amin’iny farihy Alaotra iny. Nohamafisiny fa mihatra manomboka ny zoma izao ny fikatonan’ny jono any Alaotra ary tsy misokatra izany raha tsy ny 15 janoary 2015. Hisy ny fisavana manomboka ny 21 novambra ka mampitandrina ireo izay minia mandika lalàna ny tomponandraikitry ny jono any Alaotra. Nambaran’ny tale fa tsy ekena intsony ny gaboraraka izay nampihena isan-taona ny vokatra hazandrano any amin’iny faritra iny.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • ActualitĂ©s
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT