Actualités

FARI-DRANOMASINA MAHAJANGA Ataon’ny orinasa ENELEC fanariana solika maloto


  • Alatsinainy 01 Desambra 2014

Mivarina any an-dranomasina avokoa ireo solika efa tsy ampiasain’ny orinasa ENELEC ao Mahajanga.

Vokatr’izay dia maty avokoa ireo trondro izay mandalo ny faritra misy ny orinasa eny amin’ny seranan-tsambon’i Mahajanga Be. Tsy ny hazan-dranomasina ihany anefa no tratra io loza ateraky ny fiparitaky ny solika an-dranomasina io fa ny olona mipetraka manodidina dia efa tratran’ny aretina vokatr’io loto mivoaka io. Efa nisy anefa  ny fanatonan’izy ireo ny toerana misy ny orinasa tamin’ireo tompon’andraikitra saingy tsy nisy valiny. Niezaka nanatona ny talen’ny ENELEC ny mpanao gazety saingy tsy afaka nandray ny tenany. Midika izany fa tsy misy fijerena ny toe-pahasalaman’ny olona sy ny hazan-dranomasina ny mpitantana ny orinasa io ao Mahajanga io ka tokony handraisan’ny fanjakana fepetra mety mifanaraka amin’izany satria dia efa tandindonin-doza ny fahasalaman’ireo mponina ao an-toerana. Mety hiteraka homamiadana amin’ny havokavoka ny fitrohana ny entona sy ny fofona ateraky io solika maloto io.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • ActualitĂ©s
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT