Actualités

Fari-dranomasin’i Mahajanga Kaomaorianina 1 maty, 2 tsy hita popoka


  • Alakamisy 22 Janoary 2015

Teratany kaomaorianina miisa 17 no niainga avy any Anjouan hihazo an’i Moheli tanŕna tsy lavitra ny nosy kaomaoro ny alatsinainy maraina niaraka tamin’ny sambo haingam-pandeha iray. Notsofin’ny

rivotra ilay sambo teo anelanelan’ny ranomasina Anjouan sy Madagasikara ka rendrika. Vokany, roa tsy mbola hita, ny iray maty rehefa tonga tao Mahajanga ny talata alina tokony tamin’ny 10 ora. Raha ny fanazavana azo dia 14 ireo mpandeha tao anatin’ilay sambo no avotra soa aman-tsara ny ainy. 10 andro mahery izy ireo no nitsingevana teny ambony ranomasina. Niteraka aretina ho azy ireo ny harerahana be loatra sy ny tsy fisakafoanana nandritra ny folo andro teny ambony ranomasina. Norasain’ireo teratany kaomaorianina namany izay mipetraka ao Mahajanga ilay razana iray izay hita sy ireo 14 velona. Miteraka resabe ao an-toerana ny fahatongavan’ireo kaoma maro ao Mahajanga ireo fa mety ho niditra an-tsokosoko izy ireo ka tratra ihany ny nafenina. Efa nahazo ny fitsaboana sahaza azy ireo sisa mbola tazonina eny amin’ny hopitaly

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

  • Nanao ampamoaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

sy nampiaka-peo PRRM

  • Voahoso-potaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

i Tahina Razafinjoelina

  • Randriantsoa Jimmy
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Lasa tsy anatin’ny soa

  • VOVONANA TANTANA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Tokony hijery tsara ireo

  • Fetison
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Rakoto Andrianirina

Hijery ny tohiny
FTT