Raim-pianakaviana iray sahabo ho 65 taona voalaza fa mivelona amin’ny asa fibatana entana eny Analakely sy ny manodidina no maty tampoka am-perinasa ny sabotsy maraina teo raha nikasa ny hiakatra ny lalana mihazo ny Ekar etsy Faravohitra.
Tokony ho tamin’ny 8 ora sy sasany maraina no nitrangan’izany. Raha araka ny fanazavan’ireo mponina eny amin’ny manodidina nanatri-maso ny zava-nitranga dia mbola naka toerana nipetraka ity raim-pianakaviana ity ary nangataka rano. Fotoana fohy taorian’izay anefa dia nitolefika izy ka afaka ny ainy. Raha araka ny vinavinan’ireo nanatri-maso dia mety ho noana efa hatramin’ny alin’ny zoma ity raim-pianakaviana ity. Vao maraina anefa dia nanao avy hatrany ny asa fibatan’entana fanaony toy ny mahazatra izy ka tsy zakan’ny ainy intsony. Mbola tratra niaraka taminy ireo entana nobatainy toy ny kitapon-tsimenitra feno kojakoja… Raha fehezina dia efa tena miaina anaty fahantrana tanteraka ny vahoaka malagasy ankehitriny. Ampahany izao nitranga tetsy Faravohitra izao ka tokony hahatonga saina tsara ny mpitantana sy mpitondra ny firenena.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.