Actualités

Faravohitra Anosiala Nahitana fatin-dehilahy efa tsy nisy lohany intsony


  • Alakamisy 29 Novambra 2018

Nahitana fatin-dehilahy iray efa tsy nisy lohany intsony ny alatsinainy 26 novambra teo tao amin’ny fokontany Faravohitra, kaominina Anosiala.

 

 

Araka ny fanazavan’ny sefom-pokontany ao an-toerana dia mbola nisy lohany io lehilahy io no hitan’izy ireo niankohoka teo amin’ny toerana nahitana ny fatiny. Noheveren’izy ireo fa mamo anefa io lehilahy io ary resin-tory ka tsy nisy taitra ny rehetra. Fotoana fohy taorian’izay tsy nisy lohany intsony ilay lehilahy ary efa rotiky ny alika ihany koa ny ilan-tsandriny. Tavoahangy kely iray nisy nuvan no hita teo akaikiny  izay nanamarinan’ny rehetra fa namono tena ity lehilahy ity. Maty daholo ihany koa ireo lalimanga nanakaiky azy, tranga izay tena nampihoron-koditra tokoa.  Nambaran’ny sefom-pokontany ao an-toerana fa tena nahazo vahana tokoa ny tranga tahaka izao tao amin’ny fokontany nisy azy hatramin’ny taona 2017. Farany teo, ohatra, dia fatin-dehilahy iray mpamily fiarakaretsaka no nisy nandefa  tao anatin’ny vovon-dranon’olona vao hanamboatra trano teny an-toerana ka niteraka fofona maimbo be. Toraka izany koa ireo fatin-jazakely roa ka ny iray vao teraka satria mbola niaraka tamin’ny lamba namonosana azy. Efa avy nalevina kosa ny iray ka nisy namindra toerana. Tsiahivina fa tsy noraisin’ny dokotera tao amin’ny CSB II Anosiala ity razana ity, raha araka ny fanazavan’ny sefom-pokontany hatrany.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

  • Nanao ampamoaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

sy nampiaka-peo PRRM

  • Voahoso-potaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

i Tahina Razafinjoelina

  • Randriantsoa Jimmy
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Lasa tsy anatin’ny soa

  • VOVONANA TANTANA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Tokony hijery tsara ireo

  • Fetison
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Rakoto Andrianirina

Hijery ny tohiny
FTT