Mirongatra sy mahazo vahana amin’izao ny asan-dahalo any amin’ny distrikan’i Faratsiho. Tokantrano iray indray no lasibatra afak’omaly alina tao amin’ny fokontany Tsarazaza kaominina ambanivohitra Vinaninony.
Poa-basy tsy nifandrenesana no nidiran’izy ireo ny tanàna sahabo ho tamin’ny 8 ora sy sasany alina. Tokantrano iray ihany anefa no nanamparan’ireo dahalo telolahy ny haratsian-toetrany. Namaly ny raim-pianakaviana iray tao an-trano ka nofirain’izy ireo tamin’ny antsy sy nokapainy tamin’ny famaky ity farany saingy tsy maty. Na izany aza lasan’izy ireo avokoa ny vola tao an-trano. Nentina namonjy ny hopitalibe avy hatrany tany Antsirabe ity raim-pianakaviana ity.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.