Toeram-pivarotana iray tao Fananana-Ambositrakely, Distrikan’Antsirabe voalohany indray lasibatry ny jiolahy ny alin’ny faha 28 Desambra lasa teo
. Fanafihana mpivarotra narahina fandrobana ity raha ny fanazavan’ny niharam-boina. Tokony ho tamin’ny 10 ora alina no nitrangan’ny fanafihana azy ary tampoka teo dia nisokirin’ireo jiolahy ny varavana nisy azy tafiditra tao an-trano ireo jiolahy niisa 6 ka ny vola avy hatrany no notakian’izy ireo niaraka tamin’ny daroka sy ny vono isan-karazany teo amin’ny lohan’ilay ramatoakely. Tsy afa-nanoatra nohon’ny be noho ny vitsy ilay tovovavy ka namoaka ny vola tany aminy izay 20.000 Ariary monja satria efa avy niantsena hoan’ny faran’ny taona izy. Ireo entam-barotra isan-karazany izay tao no noraofin’ireo mpangalatra, niampy oridinatera sy ny kojakoja niaraka taminy, lamba sy fitafiana maro tamin’ny sakaosy ary lasa izy ireo. Vokatry ny fanadihadiana dia sarona ny sasany tamin’ireo jiolahy ka niainga tamin’izay no nisamborana ireo namany ka tafaka ho 10 no voasambotra, ka teo ireo 6 nandray anjara nivantana tamin’ny fanafihana sy ny namany 4 hafa ka isan’izany ny mpivarotra iray tsy lavitry ny toerana voatafika izay voalaza fa naniraka ireo mpanafika ireo. Natolotra ny fampanoavana ny omaly moa izy ireo taorian’ny fanadihadiana nataon’ny zandary.
Caius R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.