Ny zandary mihitsy no Remenabila any amin’ny faritra avaratry ny foko Zafisoro any Farafangana iny ankehitriny, hoy ny minisitra teo aloha Tabera Randriamanantsoa. Vao tafaverina avy any amin’iny faritra iny ny tenako, hoy izy ka nahita ny zava-nisy marina.
Tsy vitan’ny hoe mandray anjara amin’ny tsikombakomba fangalarana omby ireto mpitandro ny filaminana, hoy izy, fa maka ankitsirano ny kafen’olona sy ny varin’olona ambolena ihany koa. Ahiana mihitsy ny mety hisian’ny adim-poko any amin’iny faritra iny raha izao no mitohy, hoy ity mpanao politika mpitarika ny CRM ity koa manao antso avo amin’ny tompon’andraikitry ny zandarimariam-pirenena sy amin’ny fanjakana foibe ny tenako hanara-maso akaiky sy haingana ny toe-draharaha. Raha mikasika ny fitsinjarana ny distrikan’i Farafangana katsahan’ny vahoaka any amin’ny faritr’i Zafisoro iny dia hiombonako hevitra tanteraka ny voalazan’ny mpanao politika iray teto amin’ny Tia Tanindrazana tamin’iny herinandro lasa teo iny nilaza fa tokony hatao distrika mahaleotena i Evato sy Ankarana miaraka amin’i Farafangana efa eo.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.