Actualités

Farafangana Hakarina avo 5 heny ny vokatra tantely


  • Talata 23 Febroary 2016

Hihatsara ny vokatra tantely any Farafangana manomboka eto. Antenaina hiakatra avo dimy heny mihitsy izany aorian’ny fampitaovana ireo mpiompy.

Mpiompy tantely miisa 150 avy amina Fokontany miisa 9 ao amin'ny Kaominin’i Vohilengo sy Tangainony, Distrikan'i Farafangana no nizarana tohotra tantely 470 isa avy tamin'ny tetikasa AINA sy ASARA, izay samy vatsian'ny Vondrona Eoropeanina vola.

Mitentina 73.000.000 Ariary izao fanampiana izao ka ny 50%-n’io vola io dia ny tetikasa ASARA LOVA FRDA Atsimo Atsinanana izay tantanan'ny CRS (Catholic Relief Service), ny 40% anjaran'ny tetikasa AINA tantanan'ny WHH(Welthungerhilfe) ary ny 10% dia anjara birikin'ny mpahazo tombontsoa.

Ireto vata fiompiana tantely ireto dia manaraka ny teknika manara-penitra ka manamora ny fanaraha-maso ny fitombon'ny tantely sy amin'ny aretina varoazy, izay efa misy ao Farafangana saingy tsy mbola misy amin'ireo Kaominina roa voalaza ireo. Mampitombo ny vokatra ihany koa ny vata vaovao, satria raha roa litatra monja ny azo amin'ny tohotra tantely nentim-paharazana dia tafakatra hatrany amin'ny folo litatra ny azo avy amin'ny tohotra manaraka ny teknika vaovao, ary matetika ny fiotazana ao anatin'ny taona.

Natao izao tantsoroka izao, hoy ny talen'ny tetikasa ASARA LOVA FRDA, Rakotomahanina Andriniaina Hery, dia hampivoarana ny fari-piainan'ireo tantsaha ka hananany antoka ara-tsakafo maharitra amin'ny alalan'ny fanatsarana ny fidiram-bolan'izy ireo.

Jean D.


 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT