Indrisy fa tsy nandroso na nijanona am-pitoerana i Madgasikara fa tena nihemotra mihitsy teo amin’ny ady amin’ny kolikoly .
Folo taona izao no niasan’ny Bianco, vao miha nitombo ny tsolotra sy ny fahalovana eto amin’ny firenena ;miaro tena ny Bianco ary nilaza fa tsy ampy fahefana sy tsy tena manana fahaleovantena ara-bola iasany malalaka.Tsikaritra koa fa mbola sampona ny rafitra sy ny fomba fiasa eto amintsika satria ireo sehatra voatondro fa lohalaharana amin’ny kolikoly tahaka ny zandarimariam-pirenena, ny polisim-pirenena sy ny fitsarana ihany no miasa miady amin’ilay izy.Tsy hoe ratsy sy mpanao afera daholo akory ny olona ao amin’ireo sehatr’asa ireo saingy efa ilay rafitra mihitsy no simba ka mora mifamindra ny fomba ratsy.Nahoana moa no tsy mbola nisy manampahefana nigadra noho ny kolikoly tahaka ny hita any amin’ny firenen-drehetra eto amintsika, kanefa fantatra tsara izao fa misy izany ?Goavana ny fanabeazana tsy maintsy atao satria efa lasa fomba amam-panao eto gasikara ny « mametraka kely » sy ny « manotra » ka tsy vitan’ny fandrahonana io fa tena mila fitarihana mahomby afaka manova ny fomba sy fihevitra ratsy ho lasa toe-tsaina tia fahamarinana, mivoatra ho amin’ny tsara kokoa hatrany.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.