Namoaka ny mavesatra tao am-pony indray ny orinasa Savonnerie tropicale omaly. Nambaran’izy ireo fa raha tiana marina ny hisian’ny fanovana eto amin’ny tany sy ny firenena mba hisian’ny fampandrosoana dia tokony hojerena ihany koa ny sehatry ny indostria
Ho azy ireo manokana mantsy dia mahatsiaro voailika sy tratran’ny tsindrio fa lavo izy ireo hatramin’izao. 3.000 taonina isan’andro monja mantsy sisa amin’izao ireo karazan-tsavony lafon’izy ireo vokatry ny fahaverezan’ny tsena raha 6.000 t ny regime croisiere. Antony mahatonga izany ny fisian’ny fifaninanana tsy ara-dalàna, ny varotra tsy misy faktiora, izay samy tafiditra ao anatin’ilay tsy fampiharan’ny mpitondra ilay didim-panjakana mifehy ny fenitra momba ny savony sy ny vovo-tsavony. Raha araka ny nambaran’izy ireo anefa dia izy no orinasa mpanao savony maoderina voalohany taty amin’ny ranomasimbe Indiana no sady manara-penitra.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.