Actualités

Fanovana governemanta Misisika ny mpisolelaka


  • Alakamisy 18 Febroary 2016

Samy mandokadoka ny tenany milaza azy nahavita avokoa ireo minisitra ao anatin’ny governemanta Ravelonarivo.

 

 Tsy mbola nisy ny fanambarana ofisialy hatramin’izao fa hisy fanovana ny fikambanana ny governemanta na ampahany na manontolo. Mandra-piandry izany dia tsy vitsy ireo efa mamboatra ny fihetsiny. Amin’ny fotoana fanovana ny mpikamban’ny governemanta dia misy anarana miverimberina matetika na anaran’olon-tokana na anaram-pianakaviana. Fahaizana milomano sa fisolelahana politika fotsiny ihany ? Ny zavatra tsapa mantsy dia ny mpiady toerana no betsaka fa ny zava-bita eo ho eo ihany. Takin’ny ankolafin-kery politika samihafa ankehitriny ny hametrahana governemanta teknisianina ka tsy vitsy ny te hanova hatrany amin’ny praiminisitra. Ny fanontaniana mipetraka dia ny hoe mbola havita hifanjinja amin’ny antoko Mapara izay manana ny maro an’isa eo anivon’ny Antenimieram-pirenena momba ny andininy faha-54 amin’ny lalàmpanorenana indray ve ny fanjakana HVM ? Mba ho fiarovan-tena dia maro ireo mpanao politika ankehitriny no mangataka ny fanohanana ireo Solombavambahoaka mba hahazoana toerana eo anivon’ny governemanta saingy asa raha mbola hanan-danja ny feon’izy ireo eo anatrehan’ny filoham-pirenena Rajaonarimampianina Hery.

Andry Ratovo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT