Actualités

Fanovana ara-politika Mijoro ny tanora


  • Talata 23 Septambra 2014

Navoaka tamin’ny fomba ofisialy tao Fianarantsoa ny faran’ny herinandro lasa teo ny andiany indray mihira “Fagnoitsa” na “Fanoitra», misy tanora mpiofana 14 mianadahy vonona hijoro ary nanaraka ny fanabeazana sy fiofanana ara-politika maimaimpoana nandritra ny efa-bolana tao amin’ny foibe nasionalin’ny antoko “Fitambolagnela” ao Beravina Avaratra, Kaominina Fianarantsoa I

Sambany teo amin’ny tantaram-pirenena no nisy izany tao amin’ny Faritra Matsiatra Ambony. «Mba hialana amin’ny politika mifototra fotsiny amin’ny vola fa tsy foto-kevitra no nanosika ny antoko hanompana ny heriny amin’ny fanofanana sy fanabeazana ny tanora momba ny politika», hoy Razafindrandriatsimaniry Dieu Donné Michel Filoha nasionalin’ny Fitambolagnela. Nambarany ihany koa fa ilana fahaizana sy fahalalana ary fananana toe-tsaina sy fihetsika ho an’ny fahamarinana, fitiavan-tanindrazana ary ho fitandroana ny tombontsoa ambony ny firenena ny fanaovana politika mifototra amin’ny mahaolona sy ny fampandrosoana ny firenena miainga ifotony. Nasiany tsindrim-peo manokana koa ny fampiharana ny tena fitsinjaram-pahefana tena izy na eo amin’ny fananana olona na ny fahefana, indrindra fa ny ara-bola mba tsy hivangongoan’izy ireo ao amin’ny fanjakana foibe. Ny tanora, hoy ity filohan’ny antoko ity, no azo antenaina fa hitondra rivo-baovao amin’ny fanaovana politika mba hiverenan’ny fitokisan’ny vahoaka ny mpanao politika. Mpampiofana avy amin’ny Oniversite eto Madagasikara sy manampahaizana matihanina sy mpandinika ny fiarahamonina no nanatanteraka ny fanofanana. Ny 18 oktobra 2014 ho avy izao no hiditra ny andiany manaraka izay anasana ny tanora tsy ankanavaka manomboka eo amin’ny 21 taona.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalàna

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

Hijery ny tohiny
FTT