Actualités

Fanotorana tany etsy sy eroa Hofehezina amin’izay ve ?


  • Alarobia 23 Janoary 2019

Tena tompony mangataka atiny ny Malagasy amin’izao ary inoana fa hojeren’ny filoham-pirenena vaovao ny fanamorana ny fahafahany manorina sy mampiasa vola amin’ireny lalam-baovao, izay lesoka tamin’ny fitondrana teo aloha ireny.

 

 

Na amin’ny lafiny fahafahana manorina mantsy dia hita fa mahavita mamoaka haingana ny fahazoan-dalana (permis de construire) ny tompon’andraikitra mikarakara izany rehefa ho an’ireo vahiny kanefa mivoaka sempotra ny Malagasy miandry ny taratasy indrindra ireo mandeha amin’ny fomba ara-dalàna (voie normale) tsy mba afaka manao kolikoly. Tahaka izany ihany koa ny fahatongavan’ny jiro sy rano amin’ny fomba haingana eny amin’ireny trano atsangan’ireo vahiny ireny kanefa dia fijalian’ny Malagasy ny miandry an-taonany maro ny amin’izany. Tenin’ny filoham-pirenena vaovao izay nankadilo sofina mihitsy ny hoe ny Malagasy no ho voalohan-daharana amin’ny fanorenana atao ary ireo mpandraharaha eto amin’ny firenena no hampiasa vola amin’ireny toerana misy lalam-baovao sy ho asiana trano mijoalajoala ireny. Inoana fa ho Malagasy maro no hahazo tombony ny amin’izay ho fanotorana tany eto Madagasikara ary tena hofehezina tanteraka. Ireo trano hanaka-danitra hiorina moa dia hantenaina ihany koa fa tena hampiroborobo fatratra ny fandraharahana ka hampitraka haingana ny toekarena.

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

  • Nanao ampamoaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

sy nampiaka-peo PRRM

  • Voahoso-potaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

i Tahina Razafinjoelina

  • Randriantsoa Jimmy
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Lasa tsy anatin’ny soa

  • VOVONANA TANTANA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Tokony hijery tsara ireo

  • Fetison
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Rakoto Andrianirina

Hijery ny tohiny
FTT