Actualités

Fanotoran-tany tsy am-piheverena Hanao fanambarana ny SECES


  • Alatsinainy 26 Aogositra 2019

Nanao tatitra mikasika ny fitakiana samihafa nataony ny sendikan’ny mpampianatra mpikaroka na ny SECES Sampana Antananarivo notarihin’ny filohany Sammy Grégoire Ravelonirina ny 22 aogositra teo. efa misy lasa any amin’ny Primatiora ireo fangatahan’ny mpampianatra mpikaroka.

 

 Hanaraka tsikelikely ireo tratra aoriana ny “Dérogation spéciale pour le maintien en activité”.110 ireo fangatahana momba ny “reclassement” voapetraka hatramin’ny 14 aprily 2019, 37 ireo fangatahana tonga teny amin’ny MEF tamin’ny jolay 2017. Araka ny fifampiresahana teo amin’ireo solontena ao anatin’ny « comité ad ’hoc » (SECES Sampana Antananarivo sy MEF) dia haloa ao anatin’ny 4 taona ireo trosa ireo ary hisy ihany koa ny « geste de bonne volonté » izay voalaza ao amin’ny « Note d’audience » amin’ity taona 2019 ity. Efa any amin’ny tompon’andraikitra ny « dossier pour l’année 2016 » ho an’ny « indemninté de recherhes ». Ho an’ny ora fanampiny, dia efa manomana ny fandefasana ao amin’ny « compte de l’Université » ilay 50% ambiny ny MESupRES ahafahana mandoa manontolo ny HC 2ème tranche 2016-2017,…Andrasana ny fandraisana andraikitry ny Fiadidiana ny oniversiten’Antananarivo eo amin’ny fandavorariana izany haingana, hoy ny tatitra. Ankoatra izay, tapaka fa hanao fanambarana mahakasika ny fanitarana ny seranan-tsambon’i Toamasina izay mety hiteraka ny fahapotehan’ny tanànan’i Toamasina sy ny fanotofana tsy ampiheverana eto amin’ny tanànan’Antananarivo izay fototry ny tondra-drano isaky ny vanim-potoanan’ny orana ny SECES Sampana Antananarivo.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalàna

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

Hijery ny tohiny
FTT