Hijery sy handinika manokana ny momba ny hazakazaka amin’ny fanotofana tany eto Antananarivo renivohitra sy ny manodidina ny kaominina ary tsy maintsy handray fanapahan-kevitra momba azy io satria ny tombontsoan’ny besinimaro no tsy maintsy jerena fa tsy ny tombontsoan’olom-bitsy
. Efa nijery ny zava-misy teny amin’ny Marais Masay ny ben’ny tanàna Rtoa Lalao Ravalomanana, nahita tsara ny zava-misy izy ary nihaino ny fitarainan’ny mponina teny an-toerana. Ny 1 oktobra teo ihany koa dia nihaona teny Anosy ny minisi-panjakana misahana ny tetikasan’ny filoham-pirenena sy ny fanajariana ny tany Rivo Rakotovao sy Atoa Marc Ravalomanana. Nitondra antontan-taratasy miaraka amin’ny sary ity farany mba hanairana ny sain’ny tompon’andraikitra fa tena kitoatoa ny fanotofana tany natao teto. Efa hatramin’ny taona 2000 no tsy azo totofana ny toerana fiandronan-drano tahaka ny eny amin’ny Marais Masay kanefa dia mbola nototofana ihany ankehitriny. Tena ho zava-doza no hitranga eto rehefa tonga ny orana noho io gaboraraka tamin’ny fanotofana tany teto an-drenivohitra io, izay niroborobo be moa taoriana kelin’ny nahavitan’ny fifidianana ben’ny tanàna farany teo ka nampitombo ny ahiahin’ny maro ny amin’ny fitarazohan’ny famindram-pahefana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.