Actualités

Fanotofana tany eto Antananarivo Mifaninana ny mpanam-bola


  • Talata 29 Septambra 2015

Mbola mitohy hatramin’izao ny fanotofana tany eto Antananarivo Renivohitra sy ny manodidina azy ataon’ireo fiara be isaky ny alina.

 

 Fantatra fa avy amin’ny faritra tsy lavitra ny renivohitra no hakana ny tany tahaka ny avy eny Masinandriana ohatra ;ary teratany Karana maromaro mpanefoefo voatondro fa tsara fifandraisana amin’ny fitondrana no voatonontonona amin’ity fanotofana tany ity.

Tondra-drano

Marais Masay, Ankorondrano sy eny amin’ireo faritra iva no tena ahitana ny fanotofana tany. Vavolombelona mahita maso izany ny rehetra mivezivezy eto Antananarivo. Dia ho sanatria ve efa ririnin-dasa tsy tsaroana sahady ny tondra-drano teto tamin’ny volana febroary lasa teo nahafatesan’olona 18 sy nisina traboina an’aliny ?Ny tsy fahampian’ny lakan-drano sy lalan-drano, ny fanotofana tany no tena antony maha mora dibo-drano ny faritra iva eto Antananarivo. Nanapa-kevitra ny fitondram-panjakana fa horavana izay trano miorina ambony tata-drano ary tena nisy ireo narodana taorian’ny tondra-drano. Ankehitriny anefa hifaninanan’ireo mpanambola ny fanotofana tany ary azo antoka fa ho zava-doza indray no hitranga eto rehefa tonga ny vanim-potoan’ny orana ka ireo vahoaka madinika hatrany no hifafa ny kihony, hiaina ao anaty rano fa ny mpanambola mpanototra ny tany mivezivezy am-pitonian-tsaina amin’ny fiarabe tsy mataho-dalana sy mipetraka amin’ny trano avo dia avo no sady arifomba.

Manararaotra faramparany

Mandeha ny feo fa tena manararaotra tahaka ny banga mihomehy amin’ny alina ireo tompon’andraikitra voatendry sasantsasany ao amin’ny kaominin’Antananarivo Renivohitra mamoaka ny taratasy fahazoan-dalana hanototra tany (arrêté de remblaiement) , kanefa izany dia tsy nahazo akory ny fankatoavan’ilay vaomiera manokana itambaran’ny Kaominina ,ny minisiteran’ny rano, ny minisiteran’ny fanajariana ny tany ary ny APIPA. Fanararaotam-pahefana tsy misy ohatr’izany intsony. Mampametra-panontaniana ihany noho izany ny fitarazohan’ny famindram-pahefana amin’ny ben’ny tanàna voafidim-bahoaka izay mety afaka 15 andro vao hotanterahana. Ka tsy efa tototra hatramin’ny farihin’Anosy sy Behoririka vao hiasa i Neny ?


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

  • Afera boeing
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

mety hafindra ady heloka bevava

  • Afera sy halatra tany,
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

fanararaotam-pahefana,…

  • COMESA Media Award
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

Lasan’ny mpanao gazety

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT