Nandray fepetra ny fitondram-panjakana nanoloana ny zava-nitranga tetsy Mahamasina ny harivan’ny alarobia 26 jona lasa teo ka nahafatesana olona 16 isa be izao.
Nambaran’ny sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena ny jeneraly Ravalomanana Richard fa hokarohina sy hanaovana fanadihadiana ireo olona nanitsaka sy nandratra olona tamin’iny fotoana iny. Hapetraka ihany koa ny lamina vaovao ho an’ny kianjaben’i Mahamasina toy ny fanitarana ny vavahady ary hosarahina roa mazava tsara ny vavahady fidirana sy ny fivoahana, ny fanitarana ny toerana hahafahana mampitombo ireo olona zakany, ary farany izay tsy kely akory dia hosarahin’ny fanjakana manomboka izao ny toerana fanaovana ny matso sy ny fampisehoana rehefa fety tahaka ireny. Nomarihin’ny jeneraly Ravalomanana moa fa noho ny fahamaizan’ny olona hahita mivantana ny filoha Andry Rajoelina no nahatonga azy ireo nirohotra nivoaka ka niteraka iny fifanosehana iny kinanjo rehefa tsy nahita izy ireo dia niverina nirohotra niditra indray. Hisy ny fotoana hahafahan’ny filoha mandalo any anaty fampisehoana mba hahitan’ny vahoaka azy. Nomarihiny moa fa na dia efa narindra tsara aza ny fanamarihana ny fetin’ny 26 tona dia nisy ihany ny tsy fandrindran’asa teo amin’ireo tompon’andraikitra isan-karazany, antony niteraka iny lesoka iny. Manamboninahitra iray hatreto no voatery nafindra toerana.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.