Actualités

Fanorenana tsy ara-dalàna eny Ivandry Ahiana hivadika ho olana ara-diplaomatika


  • Sabotsy 13 Jolay 2019

Misy trano iray aorina manakaiky ny tranon’ny masoivoho frantsay eny Ivandry, lasa mifampikasoka amin’ny faritra misy ny masoivoho ny rindrin’io trano io.

 

 

Efa nisy ny didy navoakan’ny kaominin’Antananarivo Renivohitra mba hampitsaharana ny asa sy handravana ilay rindrina satria tsy manara-dalàna. Nahazo taratasy fahazoan-dalana hanohy ny asa indray anefa ilay tompon’ny tany koa dia natsangana indray ny rindrina. Avy ao amin’ny prefektioran’Antananarivo Renivohitra no nivoahan’ity taratasy fahazoan-dalana faharoa ity. Ny prefektiora izay rafitra mpanara-maso ny maha ara-dalàna na tsia ny fanapahan-kevitra raisina eo anivon’ny kaominina saingy ny kaominina ihany no manome ny fahazoan-dalana hanorina (permis de construire). Ny 11 jolay teo no daty nivoahan’ity taratasy ity. Noho izany dia nanoratra taratasy avy hatrany mankany amin’ny minisitry ny raharaham-bahiny Malagasy ary misy dika mitovy ho an’ny minisitry ny fanajariana ny tany sy ny ben’ny tanànan’Antananarivo Renivohitra ny Masoivoho Frantsay mangataka ny handravana indray io rindrina io satria tsy nisy, hoy izy ny fifampiresahana tamin’ny manodidina mialoha ny nananganana ilay fotodrafitrasa ary iny faritra iny rahateo dia miavaka satria “zone diplomatique residentielle”.Araha-maso akaiky ity raharaha ity satria olana teknika amin’ny fananganana rindrina no mety hivadika ho olana ara-diplaomatika raha tsy misy fanapahan-kevitra hentitra raisin’ny manampahefana.

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT