Nitondra fanamarihana ny avy eo amin'ny minisiteran'ny fanajariana ny tany, ny trano fonenana sy ny asa vaventy mahakasika ny tohin'ilay fandravana ireo fanorenana tsy ara-dalàna teo Behoririka teo anivon` ny tranonskalam-pifandraisany omaly.
Voalaza fa araka ny andininy faha 224 ao amin'ny lalàna 2015-052 mahakasika ny fandaminana ny tanàn-dehibe sy ny toeram-ponenana, raha misy fandikana ny lalàna mifehy ny fahazoan-dàlana hanorina dia afaka mandidy ny Ben'ny tanàna na hanao fanitsiana ireo fanorenana nahazo alàlana na koa handrava ireo fanorenana tsy ara-dalàna miaraka amin'ny famerenana amin'ny laoniny tahaka ny teo aloha ireo toerana nanaovana ny fanorenana. Noho ireo antony voalaza ireo dia nandefa taratasy tamin'ny Sekretera jeneralin'ny fiadidiana ny tanànan'Antananarivo Renivohitra ny tompon'andraikitra teto anivon'ny minisitera mba handidiany ny tompon'ny fanorenana tsy ara-dalàna hanatanteraka hatramin'ny farany ny fandravana ary hamerina ny toerana ho toy ny teo aloha. Andraikitry ny eo anivon'ny Fiadidiana ny tanànan'Antananarivo no mandidy sy manara-maso ny famitana ny fandravana. Raha tsiahivina, ny alakamisy 28 martsa lasa teo, nanaitra ny mpandalo sy ny eny amin’ny manodidina ny Sekoly Fanabeazana Fototra (Epp) etsy Behoririka ny nahita ny fahatongavan’ny fitaovam-be (bulldozer) sy ny mpitandro ny filaminana ary ny vadin-tany nandrava ilay tranom-barotra tsara tarehy vao vita etsy anoloan’io sekoly etsy Behoririka io ny alakamisy teo. Nanaitra satria vita tsara tokoa aloha ilay tranombarotra, saingy noho izy tsy ara-dalàna, hono no nandrodanana azy. Nahoana no navelan’ny mpitondra fanjakana teo aloha naorina ihany ary nisy fanamarihana mihitsy aza hoe “tsy ara-dalàna”? Iza no nitsikombakomba tamin’izany ? Mba ho anatra ny ho avy dia mila faizina araka ny lalàna velona izay rehetra nandika lalàna ary tsy anavahana.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.