Actualités

Fanorenan-trano tsy ara-dalŕna Hentitra ny fanaraha-maso eny Ambavahaditokana


  • Alakamisy 10 Novambra 2016

Miroso hatrany amin’ny fampanarahan-dalŕna ny mponina ao aminy ny kaominina Ambavahaditokana, distrikan’Antananarivo Atsimondrano amin’izao fotoana izao.

Ankoatra ny fitakiana ny hetra, hetsika izay efa mandeha ankehitriny mba hahafahana mampandroso ny tanàna dia misy ihany koa ny fitsirihana ireo fanorenana tsy ara-dalàna eny anivon’ny fokontany. Voakasik’izany ny tamboho, ny trano. Raha ny fanazavan’ny Ben’ny tanàna Ratianarivo Bruno dia efa nisy sahady ny vokatra azo.  Nahatratra  25 ka hatramin’ny 30 isa isam-pokontany mantsy  ireo nanao asa fanorenana tsy ara-dalàna tratran’izy ireo  tao anatin’ny dimy andro monja ka tsy  maintsy  handraisany ny fepetra manokana. Anisan’izany ny fanentanana azy ireo  mba hiroso amin’ny ara-dalàna ka hanaovana  fangatahana eo anivon’ny kaominina. Mikasika ny fandoavan-ketra manokana dia fantatra fa ny  40 %-n’ny mponina ao Ambavahaditokana  no mba nanao izany tamin’ny taona 2013 sy 2014. Mikasika ny fampandoavana hetra ny alika sy ny olona, lalàna izay efa nisy tany aloha tany dia nanambara ity Ben’ny tanàna ity fa tsara raha mitondra fanazavana mifandraika amin’izany ho an’ny mponina ny fanjakana mialoha ny tena hampiharana azy.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT