Actualités

Fanondranana olona mankany Sina Sinoa roalahy nidoboka eny Tsiafahy


  • Zoma 08 Martsa 2019

Nampidirina vonjimaika any Tsiafahy ireo teratany Sinoa roalahy voasaringotra tamin’ilay raharaha fanondranana olona mankany Sina tany Ambohibary Moramanga ny faran’ny herinandro teo.

 

 

 

 Nalefa eny Antanimora vonjimaika ihany koa ireo vehivavy telo naman’izy ireo, atidoha amin’ny fikarakarana ny antontan-taratasin’ireo tovovavy haondrana izay fantatra fa efa za-draharaha tokoa. Mitohy ny fikarohana ny naman’izy ireo, araka ny fampitam-baovao avy eo anivon’ny polisim-pirenena. Miisa valo izy ireo no tratra ny sabotsy lasa teo, teo am-pisoratam-panambadiana. Ny  telo amin’izy dimy mianadahy nampidirina am-ponja ireo dia  vehivavy nokasaina haondrana avokoa.  Hamidy 84 tapitrisa Ar ny iray amin’ireo tovovavy Malagasy raha 2 tapitrisa Ar isaky ny tovovavy kosa no azon’ireo mpandefa izay mifandray amin’ireo teratany Sinoa mila izany. Fitaovana hanamorana ny fivoahan’ireo tovovavy Malagasy mankany Sina moa ny fampanambadiana azy ireo Sinoa ka tambazana volabe ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny  kaominina hanaovana ny soratra.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT