Actualités

Fanondranana olona mankany Koweit 9 mianadahy nampidirina am-ponja


  • Talata 18 Aprily 2017

Nalefa vonjimaika eny am-ponja ny sabotsy teo ireo olona sivy mianadahy tra-tehaka nanondrana olona an-tsokosoko hiasa any Koweit. Raha tsiahivina, lehilahy iray antsoina hoe

: Moustafa no saron’ny polisy ny 14 aprily lasa teo taorian’ny vaovao voarain’izy ireo fa manao asa fitadiavam-bola momba ny fanondranana olona hiasa any Koweit. Tratra niaraka taminy koa ny tovovavy miisa valo saika handeha hiondrana. Nanamora ny fahavitan’ny pasipaoron’ireo tovovavy halefa hiasa any Koweit ireo i Moustafa ka  nanamboatra Certificat de moralité hosoka niaraka tamin’ny Certificat de residence vierges sy certificat de scolarité vierges ary fitombokasem-panjakana hosoka.  Tao an-tokantranony avokoa no nahatrarana ireo. I Moustafa no  miantoka ny lany rehetra amin’ny fanaovana pasipaoro, Visa ary saran-dalana amin’ny fiaramanidina ka rehefa tonga any Koweit dia manefa ny volany amin’ny karama dimy volana ireto tovovavy ireto. Mialoha ny hialana eto Madagasikara dia manao antoka trano sy tany aminy ireto vehivavy ireto ka raha tsy mandefa ilay karama dimy volana dia lasany ilay antoka. Ankoatra izay dia mahazo vola roa tapitrisa ariary isaky ny olona alefany any amin’ilay Agence any Koweit i Moustafa. Mbola nahatrarana vola mitentina 17.800.000 Ar tany amin’ity lehilahy ity niaraka tamin’ny Quittance Western Union nandefasan’ilay Agence any Koweit vola taminy. Natolotra ny fampanoavana ny sabotsy teo izy ireo.

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

  • Afera boeing
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

mety hafindra ady heloka bevava

  • Afera sy halatra tany,
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

fanararaotam-pahefana,…

  • COMESA Media Award
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

Lasan’ny mpanao gazety

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT