Actualités

Fanondranana olona ho any Kaomoro Dimy vavy tratra tao Mahajanga


  • Talata 16 Febroary 2016

Ny zoma antoandro dia efa tonga teny amin’ny seranam-piaramanidina Amborovy Mahajanga ireto vehivavy roa teratany malagasy ireto niaraka tamina rangahy iray Kaomorianina izay hikasa ho any Moroni.

 

 Tsikaritr’ireo mpitandro ny filaminana manao ny asa fisavana ireo olona mandeha any ivelany fa hafahafa ireto olona telo ireto. Voatery nosaivana ary nohadihadiana izy ireo. Nilaza fa hiala sasatra any Moroni izy roa vavy ireo ka hoe ity rangahy ity no hipetrahany any. Notazonina niverina ary natao fanadihadiana tao amin’ny polisy misahana ny fanaraha-maso ny sisintany izy ireo. Araka ny famotorana natao azy ireo dia fantatra fa handeha hiasa any Kaomoro ireto roa vavy ireto ary ity rangahy ity no nikarakaraka ny antontan-taratasy rehetra mikasika ny fiaingan’izy ireo any ivelany sy ny fahazoan’ireto farany asa. Mitentina 4.200 000 ariary ny vola lany amin’ny olona iray amin’ny fanamboarana ny antontan- taratasiny. Ireo vehivavy ireo dia efa samy nahavitan’ity mpikarakara taratasy hosoka avokoa.Tsy izy roa ihany anefa no saika handeha an-tsokosoko tany Kaomoro io fa mbola nisy vehivavy telo hafa izay efa miandry ny ora sy ny fotoana hiaingana ka tao amin’ny hotely iray izy ireo no saron’ny mpitandro ny filaminana. Hatolotra ny fitsarana avy hatrany noho ny fandikan-dalàna vitany moa ilay rangahy sy ireo dimy vavy saika ho any Kaomaoro ireo. 

 

Tolin

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT