Nambaran’ny depiote, Zafimahatratra Abel, fa zava-dehibe anisan’ny iankinan’ny fiainan’ny mponina any amin’ny distrikan’i Manakara any amin’ny Faritr’i Vatovavy Fitovinany iny ny resaka fikarakarana ny vokatra lodsia.
Miankina amin’io vokatra io ny manontolon’ny fiahiana ara-tsosialy any an-toerana. Ho avy ity ny datin’ny 18 novambra fanombohan’ny taom-piotazana 2015 sy fikarakarana ny fanondranana vokatra avy ivelany amin’ny ankapobeny. Efa ho 5 taona katroka izao, raha ny vaovao voaray, no tsy nahazo “quotas” amin’io resaka io intsony ny avy any Manakara izay anisan’ny mpamokatra lodsia betsaka. Mantso ny mpanatanteraka, indrindra ny eo anivon’ny minisiteran’ny varotra sy ny indostria izay efa nanome toky ny hijery akaiky ny raharaha miaraka amin’ny minisiteram-panjakana efa hatramin’ny taona 2014, hoy ity depiote avy any Manakara ity, fa mamokatra lodsia hatrany amin’ny 17.000 ka hatramin’ny 18.000 taonina ny any an-toerana. Ny fanakafanany seranan-tsabon’i Manakara izay niniana nopotehina teo aloha no vahaolana amin’izany. Raha fiara “frigorifique” no mbola hampiasaina dia eo amin’ny 200 sy 300 t ihany no mba mivoaka ny distrika dia ho lo fotsiny indray ny vokatra any an-toerana. Ny vaovao farany mikasika an’i Manakara dia ny fahenoana ny hanamboarana ny tetezana Manakarabe amin’ny taona 2016. Manelingelina ny fivezivezena ao antseranan’i Manakara koa ny fisian’ny “Pont Bailey” mbola mitoetra ankehitriny.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.