Tena mampalaza ratsy an’i Madagasikara mandrak’androany ny fanondranana hazo sarobidy an-tsokosoko izay tena niroborobo tokoa hatramin’ny nisian’ny fanonganam-panjakana tamin’ny taona 2009.
Olana tena goavana tsy ahitam-bahaolana matotra na dia efa ao anatin’ny fitondrana ara-dalàna nanomboka tamin’ny fiatombohan’ny taona 2014 aza ny firenena Malagasy. Niezinezina tokoa moa ny kabarin’ny filohan’ny Repoblika raha nandray ny fahefana feno tamin’ny vahoaka Malagasy maro an’isa ny tenany ny sabotsy 25 janoary tamin’ity taona ity fa hanao laharam-pahamehana ny ady amin’ity fomba mamohehatra manimba ny tontolo iainana eto amin’ny nosy ity. Ny zava-misy anefa hatreto dia toa ry zareo vahiny avy any ivelany indray no sarotiny alohantsika tompony. Porofo mivaingana hanamarinana izany, ohatra, ny tafa nifanaovan’ny sekretera jeneralin’ny Cites John Scanlon farany teo tany New-York tamin’ny filoham-pirenena Malagasy. Nahitsy ny fanambaran’ity tompon’andraikitry ny fifanarahana mikasika ny varotra iraisam-pirenena amin’ny karazana biby sy zava-maniry any an’ala atahorana ho lany tamingana ity, «tsy maintsy atsahatra ny fangalarana ireo harena voajanahary ao Madagasikara». Tandindon-doza ny tontolo iainana sy ny toekarena Malagasy ka takiana ny fahamailon’ireo fanjakana rehetra voakasiky ny fanondranana hazo sarobidy tsy ara-dalàna miainga avy ao Madagasikara, araka ny fanamarihan’ny sekretera jeneralin’ny Cites. Vonona ny hitondra tohana momba ny lalàna sy ny ara-tsiantifika ity fikambanana iraisam-pirenena ity. Anisan’izany ny fandaharanasa fanamafisana ny fahaiza-manao «Oibt» sahanin’ny Cites ho fampiharana ny politika fanafoanana ireo karazana fanondranana an-tsokosoko ny harena ara-boajanahary. Ny fantatra aloha dia mbola mitohy hatramin’izao ity fandefasana andramena tsy ara-dalàna mankany ivelany ity.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.