Actualités

Fanondranana drakaka Orinasa sinoa miisa valo tsy manara-dalŕna


  • Talata 22 Martsa 2016

Nampiatoan’ny minisiteran’ny Jono mandritra ny fotoana voafetra aloha ny fanondranana drakaka mankany ivelany nanomboka tamin’iny faran’ny herinandro lasa iny.

 

 Fantatra taorian’ny fanaraha-maso nataon’ny minisitera fa tsy manara-dalàna mihitsy ny valo tamin’ireo orinasa sinoa miisa folo nomen’ny minisitra Ahmad fahazoan-dalana. Tsy vitan’izany fa mbola nanondrana an-tsokosoko drakaka milanja 15 taonina ihany ireto orinasa sinoa ireto tamin’ny faran’ny herinandro na dia efa naharay ny taratasy fampiatoana aza izy ireo. Mety ho fampiatoana tanteraka ny fahazoan-dalana vokatr’izany ny fanapahan-kevitra horaisin’ny minisiteran’ny Jono.

Etsy an-danin’izany, fantatra koa izao fa tonga eny anivon’ny mpitandro ny filaminana misahana ny ady heloka bevava ity raharaha ity amin’izao fotoana. Norahonan’ny tompon’ireto orinasa sinoa tsy manara-dalàna ireto mantsy ireo orinasa roa hany mba miezaka manaraka ny fepetra napetraky ny minisitera. Ny sabotsy lasa teo araka ny fanampim-baovao azo dia tonga teny an-tranon’ny iray amin’ireo orinasa roa ireo teny Talatamaty ireto Sinoa ireto ary dia nanao fandrahonana ho faty tsotra izao. Nametraka fitoriana avy hatrany ilay nahazo fandrahonana ary nampandre ny minisitera ny zava-misy. Efa eo am-pelatanan’ny minisiteran’ny Jono ihany koa ny raharaha koa andrasana izay ho tohiny.

Ana miliara maro ny vola azon’ireo mpanondrana drakaka mankany Sina ary tokony hampiditra vola vahiny ho an’i Madagasikara. Anisan’ny fepetra amin’izany ny famerenana ny vola vahiny azo avy amin’ny vidin’ireny drakaka ireny kanefa tsy manao izany ireto orinasa sinoa ireto, ankoatra ny tsy fanajana ny lalàna napetraka ho fiarovana ny faharinganan’ny drakaka eto amintsika, dia ny fanamboarana ny antsoina hoe : « bassin », mitovy tamin’ny fepetra noraisina momba ny fanondranana makamba. Betsaka moa ny feo mandeha mikasika ny fomba nanomezana ity fahazoan-dalana manondrana drakaka ity koa heverina fa tsara kokoa raha miditra an-tsehatra ny Bianco hanao ny fanadihadiana lalina manodidina izany.

Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT