Araka ny nambaran’ny Alliance Voahary gasy (AVG) dia miroborobo indray ny fanondranana an-tsokosoko ny hazo sarobidy amin’izao vaninandro fety izao satria somary mihena ny fanaraha-maso.
. Nilaza ity fikambanana ity fa misy indray izao ny bolabolana boaderozy kasaina haondrana any Fotsimaro-Tanambe any Mananara avaratra. Hatramin’ny alahady, alatsinainy ary omaly talata no efa niomana hanondrana ireo hazo sarobidy ireo ny olona manao izany. Omaly antoandro dia nisy ny fampitam-baovao mivantana tao amin’ny onjampeo Antsiva, ary nanamarina ny olona avy any an-toerana nahita maso ny zava-misy fa efa vonona eny amin’ny morontsiraka ireo hazo, vonona tahaka izany koa ny lakana hitatitra azy ireo mankeny afovoan-dranomasina ka eo no miondrana anaty sambo goavana kokoa hitatitra azy mivoaka an’i Madagasikara ireo boaderozy. Mandeha be moa ny feo hatry ny omaly fa zanak’olona ambony manana ny maha izy azy eto amin’ny firenena no ao ambadik’ity fanondranana boaderozy any Mananara avaratra ity. Marihana fa tamin’ity taona 2014 ity no nisy boaderozy betsaka indrindra tafavoaka teto Madagasikara, izany hoe nijanona ho kabary fotsiny ny an’i Hery Rajaonarimampianina tamin’ny 25 janoary, fa raha ny tena marina dia tsy nisy mihitsy ny asa nataon’ny fanjakan’ny repoblika faha-4 mba hanakanana na hampihenana ny fanondranana an-tsokosoko any ivelany ny hazo sarobidy Malagasy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.