Tamin’ny fiandohan’ny taona 2009 no tena nampalaza ny fanondranana ny hazo sarobidin’i Madagasikara. Hazo sarobidy tahaka ny andramena sy voamboana an-jatony maro no tapaka isan’andro tamin’izany.
Tafiditra nijery ny valanjavaboarin’i Madagasikara mihitsy aza moa ireo mpandraharaha vahiny tamin’izany. Nanomboka ny fanimbana sy fandringanana ary ny famarotana ny hazo sarobidin’ny Malagasy tamin’ny fotoanan’ny tetezamita. Fantatra fa ny 98%-n’ireo hazo naondrana an-tsokosoko dia lasan’ny sinoa avokoa. Ny 2% ambiny dia alefa any Eoropa sy Amerika. Niteraka resabe tamin’izany ilay Andramena tsy ara-dalàna nalefa tamin’ny sambo Maersk Vilnius avy aty Madagasikara nankany Singapour saingy tsy hita ny tohin’ny raharaha hatreto. Hatramin’izao, tsy hita mazava izay niafaran’ireny. Sa efa atao ny fanadihadiana ?. Misy aza moa olona hafa firenena sahy mijoro vavolombelona mihitsy ny amin’ny fahatongavan’ny hazo sarobidy tany aminy tamin’ireny fotoanan’ny tetezamita ireny saingy tsy misy tohiny e ! Sa efa atao ny fanadihadiana ?. 1000 kontenera ny andramena tonga avy any Madagasikara araka ny nambarany. Ny vidin’ny iray kontenera anefa dia 45 000 dolara, izany hoe mahatratra hatrany amin’ny 45 tapitrisa dolara ny vidin’ny andramena tokony ho niditra tamin’ireny. Ahoana ny tohiny ? Sa efa atao ny fanadihadiana ?.Lafon’izy ireo 650 000 dolara hatramin’ny 800 000 dolara ny fandriana iray vita amin’ny andramenan’ny Malagasy. Fa nankaiza sy natao inona daholo ireo vola be azo tamin’izany ? Maninona ny fitsarana no moana tsy mahaloa-peo ny amin’ireny raharaha maloto ireny ? Sa efa atao ny fanadihadiana ? Tsy nisy akony tamin’ny ativilanin’ny Malagasy ny fandafosana ny harembeny tamin’izany fa fa olom-bitsy hatrany no nitavana ary ny firenena hafa no nanankarena. Rehefa nanomboka ihany ny fanjakana dia tokony hatao hatramin’ny farany ny fanadihadiana fa mbola be ireo mialokaloka nefa tokony hosaziana satria nangalatra ny harem-pirenena.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.