Ilay fanjakana indray no toa mitady mpanenjika sy mandranitra ady eto. Tsy hiverenana ny resaka fisamborana sy fanagadrana izay hivoizana ny fampanjakana ny tany tan-dalàna.
Ny mety ho mpifanandrina politika amin’ny tena ihany no petahana amin’io fa ny namana toa ho lavitry ny kitay ny afo na fanta-poko fanta-pirenena izao aza fa misy ireo manana dosie maloto atsy sy aroa. Nosamborina sy nogadraina ny olona nambara fa nanompa sy nanaratsy ny filoham-pirenena ankehitriny tamin’ny tambajotran-tserasera. Hentitra ny tompon’andraikitra amin’ny fandrahonana fa hihatra ny lalàna ho an’izay mbola manao. Natao ho an’ny mpanakiana fitondrana anefa io fa ny ao anaty fanjakana kosa toa malalaka sy afaka manao izay fanaratsiana sy fanompana mivantana na an-kolaka ireo sokajiany ho mpifanandrina politika aminy izay mangina, raha tarafina amin’ny zava-misy ankehitriny. Aiza ve ka filoham-pirenena teo aloha voafidim-bahoaka izao no ompaina amin’ny endriny samihafa, fa toa mangina sy tsy re feo ilay fanjakana rehefa ny adversera politikany no lasibatra. Nompaina tamin’ny alalan’ny fametrahana ny sariny tamin’ny vatam-paty tetsy amin’ny 13 mey Atoa Hery Rajaonarimampianina, ary nambara fa handeha “handevina an-dRajao” ireo mpanao politika sasany ao anatin’ny fanjakana ankehitriny nahavita nanakarama olona hanao saritsarim-pandevenana. Iny indray fa navoaka tamina fampahalalam-baovao ny endrika ompa amin’ny alalan’ny kisarisary mitanjaka, izay na inona na inona soratra miaraka aminy dia efa tena tafahoatra, hoy ny fanehoan-kevitry ny olona. Nitohy ihany satria navoaka an-gazety miendrika fanontaniana fa adin’ilay filoha noho ny nanodinana ny vadiny no anton’ny nisamborana mpandraharaha iray. Na ireo tsy mpanohana ilay filoha teo aloha aza, dia vaky vava fa efa mihoatra ny mety, ary tsy misy fanajana ny soatoavina intsony. Tsy natao ho an’ny rehetra ny lalàna.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.