Actualités

Fanomezantsoa Tolojanahary Mangataka fanampiana hitsaboana tena


  • Talata 29 Septambra 2015

Efa tsy misy maso an-kavanana intsony i Fanomezantsoa Tolojanahary, tovolahy kely vao fito taona monja ankehitriny,

 

 monina any Alarobia Antanimalaza Ambatolampy. Vao efa-taona izy no voan’ny areti-maso tsy fantatra anarana izay nambaran’ny olona mitaiza azy ankehitriny fa hidihidy sy fanaintainana no niandohany. Efa nentin-dray aman-dreniny tany amin’ny hopitaly i Tolojanahary ka efa nodidiana in-droa. Ny voalohany tao amin’ny hopitaly miaramila etsy  Soavinandriana raha tany ambanivohitra ny faharoa saingy samy tsy nisy nahitana fahombiazana avokoa. Maty tampoka teo am-pitsaboana an’i Tolojanahary ny reniny, enina mianadahy izy ireo no naterany. Fongana ny fananany ankehitriny. Maharary an’i Tolojanahary io masony io ankehitriny. Tsy maintsy hodidiana fanintelony indray izy. Tsy misy vola intsony anefa eo am-pelatanan-drainy. Manao antso avo amin’ireo malala-tanana sy tsara sitrapo, araka izany, ny rainy mba hanampy azy ireo. Ny laharan-tariby  033 74 726 71 no hahazoana azy ireo.  Ny fikambanana HAFARI Malagasy omaly no namaly ny antson’izy ireo voalohany ka  nitondra ilay tsy manan-tsiny nihazo ny hopitaly HJRA etsy Ampefiloha.

 

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

  • Afera boeing
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

mety hafindra ady heloka bevava

  • Afera sy halatra tany,
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

fanararaotam-pahefana,…

  • COMESA Media Award
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

Lasan’ny mpanao gazety

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT