Mitovy amin’ny nataon’ny mpanjaka Radama II tamin’ny andron’ny
“Charte Lambert” na ny fifanekena hivarotra tany amin’ny vazaha tamin’izany andro ny zava-misy amin’izao fotoana, hoy ny fanehoan-kevitry ny mpitondra tenin’ny vondrona Mapar, Pierre Houlder, tetsy Ambodivona omaly. Ny maha samihafa azy fotsiny dia ny vazaha tamin’izany no niadiana satria nibodo ny tanintsika. Amin’izao fotoana izao dia tsy izay fotsiny intsony ny zava-misy fa lasa misy Malagasy miray tsikombakomba ihany amin’izy ireo ihany koa. Ambilobe, Soalala, Ambatondrazaka sy Soamahamanina ary faritra marobe eto Madagasikara amin’izao fotoana izao no efa mitady tsy ho antsika intsony ny harena ankibon’ny tany ao aminy, raha ny fanazavan’ity mpanao politika ity hatrany.
Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.