Actualités

Fanomezana rano fisotro madio Nanampy teny Fenoarivo ny mpianatry ny INSCAE


  • Sabotsy 12 Novambra 2016

Tanteraka ilay fomba fiteny hoe ny tanora no hoavin’ny firenena, raha dinihina amin’ny zava-bitan’ireo tanora 7 mianadahy mpianatra ao amin’ny INSCAE, dia Randimbison Malala,

Randrianarijaona Antsanarindra, Andrianjakanavalona Finaritra, Razafimahaleo Luc, Rakotondrasoa Mihaja, Andrianarivony Soaranto ary Rakotoarimanana Maminiaina. Manaraka ny lalam-piofanana « Comportement du manager » izy ireo ka anisan’ny hianarana amin’izany ny famolavolana sy fanatanterahana tetikasa ara-tsosialy. Nisafidy toerana iray dia ny fokontany Madiomanana Fenoarivo izy 7 mianadahy ary ny resaka rano fisotro madio no nanaovany tetikasa noho ny tsy mbola fisian’ny ranon’ny Jirama eny an-toerana. Toeram-patsakana efa tamin’ny andro fahagola ary efa maloto no fampiasan’ny mponina ka nanampy azy ireo tamin’ny famatsiana rano fisotro madio ireto mpianatra ireto. Tontosa ny fanamby ka nahavitana ny lavadrano novolena paompy eo amboniny, izay notokanana ny 5 novambra. Ny fihetsika sy ny fikarohana toy izao no tsy ampy amin’ny tanora eto amintsika ary tokony hotohanana sy hampirisihana ny rehetra hanana fandavantena.

Toky R.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT